Amazônia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Amazônia dia faritra midadasika any Amerika Atsimo izay mivelatra avy any amin’ ireo lembalemban’ i Guyana hatrany amin’ ny tantavan-tendrombohitra Andy sy hatrany amin’ ny tapany avaratr’ i Brezily. I Amazônia dia ilay faritra tondrahan’ ny ony Amazôna sy ny renirano mamatsy an’ ity ony ity, izay mahatratra 4 500 000 km2 hatramin' ny 6 700 000 km2.
Firenena valo no voafaoka amin’ izany, dia i Bôlivia, i Brezily, i Kôlômbia, i Ekoatera, i Goiana, i Però, i Sorinamy ary i Venezoela. Ny tapak’ i Amazônia ao Brezily i dia mitana ny 57 %n’ ny velaran-tanin’ ity firenena ity sy 63 %n' ny velaran-tanin' i Amazônia.