Fiteny kômôriana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny kômôriana dia karazam-piteny banto tenenina ao amin' ny tamba-nosin' i Kômôro sy any amin' ireo firenena misy Kômôriana mipetraka. Atao hoe shimasiwa na shikomori io fiteny io amin' ny fiteny kômôriana. Sahala amin' ny fiteny soahily, ny fiteny kômôriana dia fiteny sabaky, anisan' ny fianakaviam-piteny banto. Miisa any amin' ny 941 500 ny mpiteny kômôriana, ka 800 000 tao Kômôro tamin' ny taona 2011[1] ary 300 000 tao Mayotte tamin' ny taona 2007[2][3].
Samy manana ny fiteniny ny nosy tsirairay, ary avondrona anaty vondrona roa araka ny mahazatra izy efatra: ny vondrona atsinanana dia ahitana ny sinjoany sy ny simaôre, fa ny vondrona andrefana kosa dia ahitana ny simoaly sy ny singazija. Na dia tsy ifankahazoan' ny mpiteny aza ny fitenin' ny vondrona samihafa, izay ny 80 % eo ho eo amin' ny voambolana ihany no itambarany, dia misy fifankahazoan-kevitra eo amin' ireo fitenim-paritray ao anatin' ny vondrona tsirairay, izay midika fa ny fiteny kômôriana dia tokony hoheverina ho misy vondrom-piteny roa, ka ny tsirairay amin' ireo vondrona ireo dia misy fiteny roa avy, fa tsy fiteny efatra miavaka[4][5]. Tenenina aty Madagasikara sy atsy La Réunion ary any am-pielezana hafa koa ny fiteny kômôriana.
Ho fanampin' ireo indran-teny maro avy amin' ny fiteny arabo, izay fahita matetika ao amin' ny vondrona soahily, dia nampiditra teny avy amin' ny fiteny pôrtogey koa ny fitenim-paritra kômôriana, ary amin' ny ampahany kely kokoa avy amin' ny fiteny anglisy, nanomboka tamin' ny taonjato faha-16; nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 dia ny fiteny frantsay no nanjakazakaindrindra. Ireo fitenim-paritra kômôriana ireo dia nosoratana tamin' ny tarehin-tsoratra latina na arabo.
Ara-tantara, nosoratana tamin' ny tarehin-tsoratra arabo Ajami ilay fiteny. Nampiditra ny soratra latina ny fitondrana mpanjanaka frantsay, izay navoaka tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny 2009 ny fanovana natao[5]. Maro ny Kômôriana ankehitriny no mampiasa ny soratra latina rehefa manoratra ny teny kômôriana na dia mbola be mpampiasa aza ny soratra Ajami, indrindra fa ny vehivavy. Vao haingana, ny manam-pahaizana sasany dia nilaza fa ity fiteny ity dia mety ho an-dalana mankany amin' ny loza mitatao, noho ny fiovana fehezam-pitsipika tsy marin-toerana sy ny habetsahan' ny voanteny frantsay ampiasaina amin' ny fiteny andavanandro[6].
Ny fiteny kômôriana no ampiasaina ao amin' ny Umodja wa Masiwa, hiram-pirenena kômôriana.