Jamaîka
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jamaîka dia firenena any Amerika Afovoany, anisan' ny Antilia, ao amin' ny Ranomasina Karaiba, ao andrefan' i Haity sy ao atsimon' i Kioba. Ny renivohiny dia i Kingston.
Jamaica ((en)) | |||||
Jamaika ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Out of Many One People | |||||
Teny ofisialy | fiteny anglisy | ||||
Renivohitra | Kingston 17°59′N 76°48′W | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Kingston, Montego Bay | ||||
Fitondrana sy governemanta - Mpanjakavavy - Governoran'i Jamaika - Praiministra |
Fanjakana ara-antenimiera Elisabeth II Patrick Allen Andrew Holness | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 158 11 425 km² 1,5 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 135 2 804 332 mpo. 245 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Jamaikana, Jamaikanina | ||||
Sandam-bola | Dollar jamaikanina (JMD ) | ||||
Faritr'ora | UTC -5 | ||||
Hiram-pirenena | Jamaica, Land We Love | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+1-876 |
Ankoatra ny morontsiraka atsimo, izay ahitana lemaka midadasika, dia be tendrombohitra ny nosy Jamaîka: ny tangoron-tendrombohitra lehibe indrindra, ny Blue Mountains, dia mahatratra 2 256 m ambonin' ny haabon' ny ranomasina. Isan-karazany ny zavamaniry: sedera, mahogany, palisandra, hazo ebôny, hazo rofia zeny, voanio, sns. Ny biby, toy ny an' ny amin' ny nosy sisa amin' ireo Antilles, dia ahitana karazana vorona maro. Ny ankamaroan' ny Jamaikana dia taranaky ny andevo mainty nentina tany amin' ilay nosy teo anelanelan' ny taonjato faha-17 sy faha-19, manampy azy ireo ny Eorôpeana sy ny Aziatika (Indiana sy Sinoa). Ny kristianisma no fivavahana be mpanaraka ao amin’ io nosy io.
Ny fambolena no seha-pihariana nentim-paharazana ao, nefa ny toekaren' i Jamaika dia mifototra amin' ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany (izy no mpamokatra baoksita fahatelo lehibe indrindra eran-tany) sy ny fizahantany.