Tantaran' ny Tamba-nosin' i Kômôro
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tantaran' ny Tamba-nosin' i Kômôro dia tantara efa ela, ka ny tena fantatra dia nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany. Efa nisy ny mponina nanorim-ponenana tao amin' ireo nosin' i Kômôro nanomboka tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonarivo voalohany. Nitovitovy ny tantaran' ireo nosy ireo na dia tsy nitambarany aza. I Frantsa, izay firenena mpanjana-tany tamin' ny fotoanandrony, no nampiray ara-panjakana azy ireo talohan' ny hisarahany indray taorian' ny taona 1976 raha nanapa-kevitra tsy hiala amin' i Frantsa i Mayotte fa ny nosy telo kosa nitambatra nahaleo tena ka nitondra ny anarana hoe Repoblika Federaly Islamikan' i Kômôro (République Fédérale Islamique des Comores). Tsy nisy ny fahamarinan-toerana ara-pôlitika fa fahasahiranana no nanjaka nandritra ity repoblika ity izay nahitana fanonganam-panjakana miisa telopolo nadritra ny roapolo taona. Nisy ny fanavaozana teo amin' ny pôliltika sy ny toekarena ary niova anarana ho Firaisan' i Kômôro (Union des Comores) ilay repoblika tamin' ny taona 2001.