Angôla
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Angôla dia firenena ao Afrika Afovoany, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, manana velarana mirefy 1 246 700 km². I Luanda no renivohiny. Ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no mamaritra azy ao avaratra, ny Repoblikan' i Kôngô sy i Zambia no ao atsinanana ary i Namibia no ao atsimo. Any andrefana kosa ny Ranomasimbe Atlantika.
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. |
| |||
Devise nationale : «Virtus Unita Fortior - Ny firaisana no hery» | |||
Fiteny | pôrtogey, banto, kôisàna | ||
Finoana | katôlika ; vitsy anisa ny animista sy prôtestanta | ||
Renivohitra | Luanda | ||
Praiminisitra | Bornito de Sousa | ||
Filoham-pirenena | João Lourenço | ||
Velarantany | 1 246 700 km² | ||
Mponina - Manontolo (2014) - Hakitroka |
Listry ny firenena araka ny isan' ny mponina 25 789 024 mponina 21 mpo/km² | ||
Anarana | |||
Fahaleovantena | 11 Novambra 1975 | ||
Hiram-pirenena | Angola Avante | ||
Sandam-bola | kwanza | ||
Faritra ora | UTC +1 | ||
Faritra Internet | .ao | ||
Antso an-tariby | 244 | ||
Ny ampahany be amin' ny tanin' i Angôla dia lembalemba midadasika izay midina miatsinanana sy miankandrefana mankany amorontsiraka. Ny tany lemaka amorontsiraka dia mifanohy amin' ny tany efitra. Betsaka ny ony sy ny renirano ahitana rian-drano lehibe. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetanin' i Angôla. Isan-karazany ny zavamaniry any, izay mamorona ala na hivoka anirian-kazo na tany midadasika anirian' ahitra. Maro karazana koa ny biby hita any, ka isan' izany ny elefanta sy ny jirafa aty ny tokantandroka. Betsaka koa ny karazam-borona.
Ahitana vondrom-poko maro ny ao Angôla, ny amaro anisa amin' izany dia ny Bakôngô, ny Ambondo, ny Ôvimbondo, ny Londa. Kristiana ny antsasa-manilan' ny mponina fa ny sisa kosa dia manaraka ny finoan-drazana afrikana. Atao hoe Angôley ny vahoakan' io firenena io.
Firenena mahantra i Angôlà na dia manana harena amin' ny fambolena sy amin' ny harena an-kibon' ny tany (indrindra ny diamondra). Nizaka mosary ny mponina angoley sady nisy ady an-trano nandritra ny 27 taona teo anelanelan' ny taona 1975 sy 2023.
Zanatany pôrtogey i Angôla hatramin' ny taona 1975 nahazoany ny fahaleovan-tenany. Ny fiteny pôrtogey no fiteny ôfisialy any.