Azia
kontinenta / From Wikipedia, the free encyclopedia
I Azia na Asia dia kôntinenta izay ahitana firenena miisa 46, izay voafaritry ny Ranomasimbe Arktika ao avaratra, ny andilan-dranomasin' i Bering sy ny Ranomasimbe Pasifika ao atsinanana, ny Ranomasimbe Indiana ao atsimo, ary ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea ao atsimo-atsinanana. Ny sisiny manasaraka an' i Azia sy Eorôpa dia nifanarahana fa ny tendrombohitra Oraly (Ural). Raha heverina ho kôntinenta iray i Azia sy i Eorôpa noho izy ireo tany mitohy dia antsoina hoe Eorazia. Manana velarana 43 810 582 km2 i Azia ka izy no be velarana indrindra amin'ny kontinenta rehetra. Izy koa no be mponina indrindra (4,3 lavitrisa: 60 %n' ny mponina eran-tany). Ao no ahitana ny tendrombohitra avo indrindra, dia i Everest, izay mahatratra 8 848 m.
Mifanjohy mankany Ôseania ny nosy sy ny tamba-nosy ao atsimo-atsinanana: isan' izany ireo nosy Filipina sy ireo nosin' i Indônezia (i Somatra sy i Java ary i Solaoesy), i Bôrneô ary i Ginea Vaovao. Ao avaratra atsinanan' i Azia no ahitana ireo nosin' i Japàna sy ny nosin' i Sakalina. Ao amin' ny Ranomasimbe Indiana no misy ny nosy Srilanka sy ireo tamba-nosy madinika toa ny an' i Maldiva ary ireo nosy Andamàna sy Nikôbara.