Dariôsy II
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Dariôsy II dia zanak' i Artakserksesy I, izay nanjaka tamin' ny empiran' i Persia. Niakatra teo amin' ny fitondrana izy rehefa avy namono an' i Sôgdianôsy (izay namono koa an' i Kserksesy II), tamin' ny taona 424 tal. J.K. Tamin' ny taona 423 tal. J.K. izy dia efa governoran' i Hirkania sady efa nankato azy i Media sy i Babilôna ary i Egipta. Isan' ny fianakaviana akemenida i Dariôsy II. I Artakserksesy II no nandimby azy. I Parisatisy no vadiny ary i Artakserksesy II sy i Kirôsy Zandriny no zanany.