Dispensasiônalisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny dispensasiônalisma dia foto-pampianarana kristiana evanjelika miorina amin' ny fanakarana ny hevitry ny Tantara araka ny Baiboly ka andinihana ny fomba ampiasan' Andriamanitra amim-pahefana ny fanjakàny eto amin' izao tontolo izao mba hanatrarany ny tanjony. I John Nelson Darby[1] no nandrafitra izany ho fampianarana tao amin' ny asasorany sady namelatra azy tao amin' ny fihetsiketsehana ara-pilazantsara sy mpitazona ny rakitry ny ela, dia ny Fiangonan' ny Mpirahalahy (anglisy: Plymouth Brethren; frantsay: Assemblées des Frères) izany, izay lasa nalaza noho ny fivoasana nataon' i Cyrus Scolfield[2] [3].
Ny dispensasiônalisma dia manolotra fivoasana ny Bokin' ny Apôkalipsy, tsy toy ny fitantarana zavatra efa lasa (preterisma), fa amin' ny maha firesahana zavatra mbola ho avy azy[4]. Hita ao amin' ireo fiangonana evanjelika, indrindra ny ao Etazonia, ny dispensasiônalisma, ka isan' izany ireo fikambanam-pinoana kristiana tsy miankina amin' ny fiangonana, ny Fiangonana baptista sy ny Fiangonana pentekôtista ary ireo fikambanam-panavaozana karismatika. Isan' ny manaiky ny fisian' ny atao hoe dispensasiôna na fotoam-pitantanana ny Olomasin' ny Andro Farany. Ny isan' ny Kristiana manaraka ny dispensasiônalisma ao Etazonia fotsiny dia 5 000 000[5] na 18 000 000-25 000 000[6] na 40 000 000[7], arakaraka ireo mpanao tombana. Amin' ny ankapobeny dia mitsipaka ny dispensiônalisma ny fiangonana prôtestanta maro hafa.