Endolzansy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny endolzansy na indolzansa na indolzansy dia fanao ao amin' ny Eglizy katôlika rômana izay mamela manontolo na ampahany eo anatrehan' Andriamanitra ny sazy tokony ho solon' ny fahotana efa nahazo famelana. Izany sazy izany dia atao hoe "fivalozana".
Ny manampahefana ao amin' ny Fiangonana katôlika no manome ny endolzansy ary izany dia heverina fa endrika isehoan' ny fanelanelanana ny mpino amin' Andriamanitra, izay angatahin' ny Eglizy iray manontolo amin' ny alalan' ny litorjia sy ny vavaka ataony, mba hampisy fampihavanana ny iray amin' ny mpino ao aminy, na mbola velona na efa maty.
Raha fanao matetika ny manome endolzansy tamin' ny andro fahiny dia mbola misy izany amin' izao fotoana izao na dia mahalana kokoa aza.