Fandrehitra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fandrehitra dia akora simika izay, raha ampiarahina amin' ny mpandrehitra (toy ny ôksizenina) sy amin' ny angovo, dia levonin' ny fihoto ara-tsimia izay miteraka hafanana: io no atao hoe fandoroana. Anisan' ny atao hoe fandrehitra ny solika fampandehanana môtera. Raha itarina ny hevitr' io teny hoe fandrehitra io, dia azo atao ny miresaka momba ny zavamananaina fandrehitra "tsy fôsily", ny fandrehitra nokleary ampiasaina hamokarana angovo amin' ny alalan' ny fihoto nokleary, na dia tsy fihoto mandoro aza izany.