Fiakaran' i Kristy any an-danitra
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiakaran' i Kristy any an-danitra na fiakaran' i Jesoa any an-danitra, izay indraindray hafohezina amin' ny hoe Fiakarana, dia ny fialan' i Jesoa Kristy avy ety an-tany mankany an-danitra ho any amin' Andriamanitra. Ao amin' ny lovantsofina kristiana, araka ny hita ao amin' ny ankamaroan' ny fiekem-pinoana sy ny fampianaranan' ny fiangonana isan-tsokajiny dia nasandratr' Andriamanitra i Jesoa, izany hoe nomeny voninahitra, taorian' ny fahafatesany, tamin' ny fananganany azy tamin' ny maty sy tamin' ny nampakarany azy any an-danitra, ka any an-danitra i Jesoa no nandray ny fipetrahany eo an-tanan-kavanan' Andriamanitra.
Amin' izao andro vaovao izao dia mametraka olana ny fandraisana ara-bakiteny ny tantaran' ny fiakaran' i Jesoa any an-danitra, satria ny fiheverana an' izao tontolo izao (kôsmôlôjia) araka io fivoasana ara-bakiteny io dia tsy mifanaraka amin' ny fahalalana siantifika momba ny firafitr' izao tontolo izao, ka noho izany dia heverin' ny mpanao heviteny maro fa mifamatotra amin' ny fanandratana na fanomezam-boninahitra an' i Jesoa ny "fiakarany any an-danitra".