Fianakaviam-piteny aostrôaziatika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny aostrôaziatika dia fianakaviam-piteny any Azia Atsimo-Atsinanana sy ao amin' ny faritra atsinanan' i India. Ny teny hoe aostrôaziatika dia avy amin' ny teny grika izay midika hoe "Azia Atsimo". Ny fiteny aostrôaziatika dia miparitaka anaty erana misaratsaraka sady elanelanin' ny faritra itenenana fianakaviam-piteny hafa. Heverina ho fitenin' ny tompon-tany ao Azia Atsimo Atsinanana sy any amin' ny tapany atsinanan' i India ireo fiteny ireo noho izy ireo mety efa tao talohan' ny fianakaviam-piteny tai-kaday, fianakaviam-piteny aostrôneziana, fianakaviam-piteny sinô-tibetàna ary fianakaviam-piteny indô-eorôpeana izay nentin' ny mpiavy taty aoriana. Miisa 100 000 000 any ho any ny mpiteny aostrôaziatika tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-21.