Fianakaviam-piteny nilô-sahariana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny nilô-sahariana dia fianakaviam-piteny ao Afrika atsimon' i Sahara, ao amin' ny faritr' i Nily Ambony sy ny an' i Sahara-Ambony izay mahafaoka an' i Nobia. Araka ny fanombanana tanaon' i Lionel M. Bender tamin' ny taona 2004 dia misy fiteny miisa 200 any ho any ao amin' io fianakaviam-piteny io izay tenenin' ny olona miisa 31 000 000 any ho any ao amin' ny Fanjakana (firenena) miisa 18.
Io fianakaviam-piteny io dia ahitana fiteny isan-karazany, izay tsy ranoray mihoatra lavitra ny an' ny fianakaviam-piteny akaiky azy, dia ny fianakaviam-piteny nizerô-kôngôley, ka iandian-kevitra ny maha fianakaviam-piteny iray ny fiteny ao aminy. Vitsy ny mpahay fiteny manao fikarohana amin' ilay fianakaviam-piteny manontolo ary misy ireo izay mitsipaka io fanasokajiana io. Ny tena iandian-kevitra dia ny fampidirana ny sampam-piteny sôngay amin' ity fianakaviam-piteny ity. Na dia mifanaraka aza ny ankamaroan' ny mpahay fiteny amin' ny maha mitombina ny fisian' io fianakaviam-piteny io dia hita fa ny firafetany anaty dia mbola iadian-kevitra.