Filipina
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Filipina, na amin' ny anarany lava Repoblikan' i Filipina, dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana, forinina tangoro-nosy ahitana nosy miisa 7 641 ary manana velarana mirefy 300 000 km². Mitana ny 90 % amin' ny velaran' i Filipina ny nosy roa ambin' ny folo lehibe indrindra. I Manila no renivohiny.
Republika ng Pilipinas ((tl))/((fil)) | |||||
Republic of the Philippines en | |||||
República de las Filipinas es | |||||
Repoblikan'i Filipina ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : Maka-Diyos, Maka-Tao, Makakalikasan at Makabansa Ho an'Andriamanitra, ny Mponina, ny zavaboahary ary ny firenena' | |||||
Teny ofisialy | fiteny filipino sy fiteny anglisy | ||||
Renivohitra | Manila 14°35′N 121°0′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Quezon City | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha |
Repoblika Rodrigo Duterte | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 70 300 000 km² 0,6% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 13 92 681 453 mpo. 289 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Filipin | ||||
Sandam-bola | Peso filipina (PHP ) | ||||
Faritr'ora | UTC +8 | ||||
Hiram-pirenena | Lupang Hinirang (firenena nosafidiana) | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+63 |
Ny fiteny anglisy sy ny fiteny filipinô no fiteny ôfisialy any. Nosy maherin' ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan' ny nosy tsy manana anarana.
Any amin' ny faritra andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika no misy an' i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanana amin' i Malezia (Bôrneô), i Broney, ary i Indônezia (faritany indônezianin' i Bôrneô na Kalimantan).
Amin' ny teny tagalôga dia atao hoe Republika ng Pilipinas, i Filipina, fa amin’ ny teny anglisy kosa izy dia atao hoe Republic of the Philippines, amin' ny teny espaniôla dia República de Filipinas, amin' ny teny ilôkanô dia Republika ti Filipinas, amin' ny teny seboanô dia Republika sa Pilipinas.
Ny faritra ara-jeôgrafia telon' i Filipina dia i Luzón sy i Bisayas ary i Mindanao. Ny nosin' i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindra amin' ilay firenena, ary ao no misy ny renivohiny Manila ary ny tanàna lehibe indrindra Quezon City, misy mponina miisa 15 tapitrisa. Ao amin' ny faritra afovoan' i Filipina no misy an' i Visaya, ahitana ny nosy Negros, Cebu, Bohol, Panay, Masbate, Samar ary Leyte. Any atsimo no ahitana an' i Mindanao, nosy faharoa amin' ny velarany. I Davao, i Marawi, i Zamboanga ary i Cagayan no tanàna lehibe ao amin' ny nosin' i Mindanao. Any atsimo-andrefan' i Mindanao no misy ny Tangoro-nosy Sulu ahitana toa an' i Basila, i Jolo ary i Tawi Tawi; akaikin' i Bôrneô no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran' ny vondrona isilamista mpampihorohoro Abu Sayyaf. Any andrefan' i Visaya no misy ny Tangoro-nosin' i Palawan, misy nosy miisa 1 700.
Iray amin' ireo firenena roa be Katôlika any Azia (miaraka amin' i Timôro Atsinanana) i Filipina ary iray amin' ny firenena nanandray ny kolontsaina tandrefana indrindra.