Fiteny hebreo vaovao
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny hebreo vaovao (hebreo: עברית חדשה /ʿivrít ħadašá[h]) dia karazan' ny fiteny hebreo izay ampiasaina na am-bava na an-tsoratra nanomboka tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-19. Miavaka izy noho izy lasa fiteny velona, notenenin' ny Siônista aloha, avy eo nampiasain' ny ankamaroan' ny Israeliana, taorian' ny taonjato maro nahafaty ny fiteny hebreo sy naha fiteny amin' ny fanompoam-pivavahana fotsiny azy. Nahazo aina toy ny nateraka indray ny fiteny hebreo tamin' ny taonjato faha-20 vokatry ny asan' i Eliezer Ben Yehudah tamin' ny andron' ny atao hoe Haskala (השכלה). Tombanana ho manodidina ny 6 tapitrisa ny isan’ ny mpiteny hebreo ankehitriny.