Franc CFA
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Franc CFA dia vola afrikana roa mahazatra (ny "franc de la Communauté financière africaine" sy ny "franc de la Coopération financière en Afrique"), nolovaina tamin' ny fanjanahantany frantsay ary ampiasain' ny firenena afrikana efatra ambin' ny folo izay ampahany amin' ny Faritra franc:
- ny "franc de la communauté financière en Afrique" (ISO 4217: XOF sy 952), navoaka sy tantanin' ny Banky Foiben' ny Firenena Afrikana Andrefana (Banque centrale des États de l'Afrique de l'Ouest) ho an' ny firenena valo mpikambana ao amin' ny Union économique et monétaire ouest-africaine (UEMOA);
- ny "franc de la coopération financière en Afrique centrale" (ISO 4217: XAF sy 950), navoakan' ny Banque des États de l'Afrique centrale ho an' ireo firenena enina mpikambana ao amin' ny Communauté économique et monétaire de l'Afrique centrale (CEMAC).
Ny firenena mampiasa ny Franc CFA dia nipoitra avy amin' ny fivoarana sy ny fiovan' ny Empira Mpanjanaka Frantsay teo aloha, ary koa ireo firenena tsy zanatany frantsay, toa an' i Kamerona sy i Tôgô (zanatany alemàna tamin' ny voalohany, avy teo ambany fiahian' i Frantsay), i Ginea Ekoatôrialy (zanatany espaniôla) ary i Ginea-Bisao (zanatany pôrtogey).
Ny sandan' ny Franc CFA dia faritan' ny firenena mpikambana amin' ny fomba malalaka sy miorina amin' ny taha raikitra amin' ny Euro, taha raikitra izay iantohan' ny Tahirimbolam-panjakana frantsay. Ampandrenesina mialoha ity farany raha toa ka manapa-kevitra ny hanondrotra na hampihena ny sandan' ny vola ireo firenena mpikambana ireo.