Hasidisma
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny hasidisma na jodaisma hasidika dia fihetsiketseham-panavaozana ara-pivavahana jiosy naorin' i Ba'al Shem Tov tamin' ny taonjato faha-18 tao Eorôpa Atsinanana, izay mampianatra fa ao amin' ny toerana sy ny zavatra rehetra Andriamanitra ary tokony atao am-pinoana sy amim-kafanam-po ary amin-kafaliana (hira sy dihy) fa tsy amin' ny fanarahana tafahoatra ny fombafombam-pivavahana ny fanompoana an' Andriamanitra. Ankehitriny dia anisan' ny herin' ny jodaisma ôrtôdôksa ny hasidisma.
Avy amin' ny teny hebreo hoe חסידות / 'Hassidut, izay midika hoe "fitiavam-bavaka" na "fifikirana amin' ny fivavahana" ny teny hoe hasidisma, teny avy amin' ny hoe חסד / izay midika hoe "falala-tanana" izy nanome ny mpamaritoetra amin' ny fiteny idisy hoe חסידיש / 'Hasidish.