Hebreo (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Hebreo na Hebrio dia vondrom-poko semitika izay nifindra avy any Mesôpôtamia na Mezôpôtamia nankany Palestina tamin’ ny taonarivo faharoa tal. J.K. Izy ireo no heverina fa razamben' ny Jiosy na Jody ankehitriny.
Araka ny Baiboly dia avy any Kanaana ka nankany Egipta (na Ejipta) ny ampahany amin’ ny Hebreo, dia ireo taranak’ i Jakoba, atao hoe Israelita na Zanak' i Israely, ka lasa andevon' ny Egiptiana (na Ejipsiana). Rehefa afaka tamin' ny fanandevozana izy ireo teo ambany fitarihan’ i Mosesy (na Môizy) dia nivezivezy tany an-tany efitr' i Sinay hankany Kanaana indray. I Jôsoa (na Jôsoe) no nandimby an' i Mosesy alohan' ny hanafihany sy honenan' ny Hebreo tao amin' ny tany Kanaana atao hoe koa Palestina.