Isbôseta
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Isbôseta izay atao hoe Isbaala dia zanak' i Saoly nasandratra ho mpanjakan' i Israely tamin' ny taona 1007 tal. J.K. nandimby an-drainy nefa tsy nanjaka afa-tsy tamin' ny fokom-pirenena 11 izy satria i Davida koa dia nasandratra ho mpanjakan' ny fokom-pirenen' i Jodà tamin' io fotoana io ihany. Maty nisy namono izy tamin' ny taona 1005 tal. J.K. Roa taona no naharetan' ny fanjakany. Ao amin' ny Boky faharoan' i Samoela ao amin' ny Baiboly no ahitana ny tantarany.