Jeôgrafian' i Borondy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafian' i Borondy dia maneho ny vohon' ny tany sy ny biby sy ny zavamaniry, ny mponina sy ny tanàna ary ny toekaren'i Borondy. Iray amin' ireo firenen' i Afrika Atsinanana ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe i Borondy. Izy no firenena kely velarana indrindra aty Afrika. Firenena be tendrombohitra sy anjakan' ny lembalemba avo izy.