Lakandranon' i Môzambika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Lakandranon' i Môzambika dia sampan' ny Ranomasimbe Indiana mampisaraka an' i Madagasikara amin' i Afrika, tandrify indrindra an' i Môzambika.
Manodidina ny 1 600 km eo ho eo ny lavany, 419 km ny sakany amin' ny toerana tery indrindra ary mahatratra 3 292 m ny halaliny amin' ny toerana lalina indrindra, eo amin' ny 230 km miala ny morontsirak' i Môzambika. Mandalo ao ny korian-drano mafana mitodika mianatsimo izay mikambana amin' ny korian-dranon' i Agulhas any atsinanan' ny morontsirak' i Afrika Atsimo.