Loka Nobel
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Loka Nobel dia mari-pankasitrahana eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, atolotra an'ireo olona na fikambanana nahavita be sy nitondra soa teo amin'ny fiainan'ny zanak'olombelona, na tamin'ny asa soratra na tamin'ny fikarohana, na tamin'ny ezaka ho an'ny fandriampahalemana nanomboka tamin'ny taona 1901.
Isaky ny volana oktobra no fitsinjarana io loka io, fa ny lanonana fanomezana ny loka kosa dia ny 10 desambra, andro hahatsiarovana ny nahafatesan'i Alfred Nobel (10 desambra 1896).