Ngazidja
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Ngazidja na Kômôro Lehibe dia nosy sady fanjakana mizaka tena ao amin' ny Firaisan' i Kômôro, ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro. Izy no nosy lehibe indrindra sy be mponina indrindra (410 736 tamin' ny taona 2016) ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro. I Moroni no renivohiny, izay renivohitr' ilay firaisam-panjakana mizaka tena.
Manana halava mirefy 77 km sy sakany mirefy 27 km ary velarana 1 146 km2 i Ngazijda. Izy no nosy zandriny indrindra ao amin' ilay tamba-nosy, izay vokatry ny fipoahana afotroa. Roa ny afotroa mandrafitra an' io nosy io, dia ny afotroa La Grille ao avaratra (1 087 m) izay mihalevona vokatry ny fikao-tany, sy i Karthala ao atsimo (2 361 m).