Nôrvezy
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Nôrvezy dia firenena any Eorôpa Avaratra, ao amin' ny lafiny andrefan' ny Saikanosy Skandinava, miray sisintany amin' i Finlandy sy Soeda. Firenena tsy dia be mponina izy saingy isan' ny tany manan-karena, noho izy mamokatra solitany. I Oslo no renivohiny ary ny fiteny nôrveziana no fiteny ôfisialy ampiasaina any aminy.
| |||
Filamatra : «Alt for Norge : miaraka ho an'i Norvezy» | |||
Fiteny | |||
Renivohitra | Oslo | ||
Praiminisitra | Jonas Gahr Støre | ||
Filoham-pirenena | Kong Harald V | ||
Velarantany | 385 207[1] km² | ||
Mponina - Manontolo (2024) - Hakitroka |
Liste des pays par population 5.550.203[2] mponina 14 mpo/km² | ||
Anarana | |||
Fahaleovantena | 1814, 1905 | ||
Sandam-bola | |||
Hiram-pirenena | Ja, vi elsker dette landet | ||
"oui, nous aimons ce pays" | |||
Faritra ora | UTC +1 | ||
Faritra Internet | .no | ||
Antso an-tariby | 47 | ||
Ny tanin’ i Nôrvezy dia manana halavana 1 750 km sady manana morontsiraka ao amin’ ny Ranomasina Avaratra sy ao amin’ ny Ranomasimbe Atlantika. Be tendrombohitra sy mikintiantoana ny vohon-tanin’ i Nôrvezy: voatrobatrobaky ny lava-dranomandry nidiran-dranomasina (atao hoe fjord) ny morontsiraka. Toetanin-tendrontany ny toetany any Nôrvezy.
I Nôrvezy no firenena misy mponina kely hakitroka indrindra ao Eorôpa. Monina an-tanan-dehibe ny ankamaroan’ ny mponina (75 %).
Anisan’ ny firenena manan-karena indrindra eto an-tany i Nôrvezy. Niteraka fandrosoana ho an’ ny toekareny ny fitrandrahana solitany ao amin’ ny Ranomasina Avaratra. Mandroso ihany koa ny fanjonoana any.
Efa nonenan’ olona mpihaza hatramin’ ny vanimpotoana paleôlitika (14 000 taona tal. J.K.) i Nôrvezy, avy eo dia tonga tao koa ny tantsaha avy any Danemarka sy avy any Soeda. Tamin’ ny taona 800 taor. J.K. dia nitodi-doha tany amin’ ny ranomasina izany vahoaka izany, izay atao hoe Vikingy, ary nandefa sambo mpiady tamin’ ny tany tratrany: sady mpandroba izy ireo no mpitady tany vaovao. Ny mpanjaka vikingy Erik Ilaimena no nahita an’ i Groenlandy voalohany ary i Leif Eriksson zanany lahy no lazaina fa Eorôpeana voalohany nahita an’ i Amerika Avaratra. Tonga firenena miray i Nôrvezy tamin’ ny taona 1000 ka nitombo hery ara-pôlitika sy ara-barotra, indrindra noho ny fisian’ ny Ranomasina Avaratra. Ny mpanjaka Magnus I no nanatanteraka ny fampikambanana an’ i Nôrvezy tamin’ i Danemarka ary i Soeda tamin’ ny taonjato faha-11. Ny fifanarahana tao Kalmar no nahatonga an’ i Nôrvezy ho faritanin’ i Danemarka tamin’ ny taonjato faha-14 hatramin’ ny faha-19. Nofehezin’ i Danemarka i Nôrvezy nanomboka tamin’ ny taona 1815 nefa nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1905.
I Nôrvezy dia fanjakana enti-mpanjaka, k Harald V no manjaka ao, ary mbola eo ambany fiandrianany ireo nosy kely toa ny nosy Jan Mayen, ny nosy Pierre Ier, ny nosy Bouvet, ary ny fitambaran' ireo nosy kelin' i Svalbard. Tamin’ ny taona 1994 i Nôrvezy dia nandà tsy hiditra ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana rehefa natao ny fitsapan-kevi-bahoaka.