Tempoly (môrmônisma)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tempoly, araka ny foto-pampianaran' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany dia trano atokana ho tranon' ny Tompo sady heverin' ny mpino ho toerana masina indrindra eto an-tany. Araka izany fampianarana izany dia nandidian' Andriamanitra mandrakariva ny vahoakany ny fanamboarana tempoly, izay trano masina anatanterahan' ny Olomasina mendrika ny fombafomba sy ny ôrdônansy masin' ny Filazantsara ho azy ireo sy ho an' ny maty. Araka ny foto-pampianarana môrmôna dia mandray ny famangian' ny Tompo ny tempoly. Amin' ny Olomasinan' ny Andro Farany, ny tempoly dia tsy mitovy amin' ny trano fiangonana, sahala amin' ny tsy fitovian' ny Tempolin' i Jerosalema amin' ny sinagôga. Tsy tanterahina ao amin' ny tempoly ny fivoriana isan' Alahady. Ny tempoly dia matetika misokatra ho an' ny daholobe mandritra ny fotoana fohy (varavarana misokatra) alohan' ny hanokanana azy amin' ny maha "Tranon' ny Tompo" azy. Aorian' izany dia ny mpikambana ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany mendrika no nahazo alalana hiditra ao.