Testamenta Taloha
From Wikipedia, the free encyclopedia
Atao hoe Testamenta taloha ny fitambaran' ny boky ao amin' ny Baiboly voasoratra talohan' i Jesoa Kristy. Ny Kristiana dia mampiasa an' io teny io hanondroany ny tapany voalohany amin' ny Baiboly, izay voasoratra talohan' i Jesoa Kristy sady antsoin' ny Jiosy hoe Tanakh. Ny Vavolombelon' i Jehovah dia miantso ny Testamenta Taloha hoe "Soratra Hebreo sy Aramianina".