Vatikàna
From Wikipedia, the free encyclopedia
41.904°N 12.453°E / 41.904; 12.453
Vatikàna
| |||
Velarantany | 0,44 km2 | ||
Isam-ponina | 1 000 mponina | ||
Tanànan-dehibe | NC | ||
Ben'ny tanàna | Papa Francisco | ||
Firenena | Vatican ( Italia) | ||
Faritany | NC | ||
Faritra | NC |
I Vatikàna dia tanàna-fanjakana ao Eorôpa Atsimo, mihitsoka ao anatin’ ny tanànan’ i Rôma renivohitr’ i Italia, izay hodidini-manda efa tamin’ ny Andro Antenatenany sy tamin’ ny Renaissance. Izy no firenena kely indrindra eto an-tany, misy mponina miisa manodidina ny 1 000. Ao Vatikàna no misy ny foiben’ ny Eglizy katôlika: eo ambany fahefan’ ny papa, izay lehiben’ ny Eglizy katôlika rômana, izy. Ny tanànan’ i Vatikàna dia ahitana ny Bazilika Masindahy Piera, izay trano fiangonana katôlika lehibe indrindra. Manana ny sainam-pirenena azy manokana i Vatikàna.
Naorina tamin’ ny alalan’ ny fifanarahana tao Latran teo amin’ ny fitondram-panjakana italiana sy ny fitondran’ ny papa tamin’ ny taona 1929 ny tanànan’ i Vatikàna, taorian’ ny fifanolanana nandritra ny taona maro.