Mohamady
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Mohamady[1] dia mpitondra ara-pivavahana sy ara-pôlitika ary ara-tafika avy amin' ny fokom-pirenena arabo Koraisa. Izy no mpanorina ny fivavahana silamo. Amin' ny teny arabo izy dia antsoina hoe محمّد / Muḥammad. Izy no mpaminany farany nirahin' Andriamanitra ao amin' ny finoana silamo[2]. Araka ny lovantsofina silamo dia teraka tao Meka (na Maka) izy tamin' ny taona 570[3] ary maty tao Medina (na Madina) tamin' ny taona 632. Abū al-Qāsim Muḥammad ibn ʿAbd Allāh ibn ʿAbd al-Muṭṭalib ibn Hāshim, no anarany feno.
Mohamady | |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Mohamady | ||
Teraka | 22 Aprily 571 | ||
Maty | 8 Jiona 632 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Ny Mozilmana dia mihevitra azy ho mpaminany farany ao amin' ny fivavahana abrahamika rehetra, mpaminany notsilovin' Andriamanitra mba hitory sy hanamafy ny fampianaran' i Adama, i Abrahama, i Mosesy, i Jesoa, ary ny mpaminany hafa[4], izany hoe izy no mamarana ny fanambaràna mônôteista natao tamin' i Abrahama[2]. Izy dia inoan'ny Mozilmana ho "tombokasen' ny mpaminany" ao anatin' ny finoana silamo, ary ny Kor'any sy ny fampianarany ary ny fanaony no fototry ny finoana ara-pivavahana silamo. Ny fitantarana ny fiainany ara-pivavahana dia mitatitra fa nampianariny an' ireo namany mpiara-dia aminy voalohany (Sahaba) ny andininy (ayat) ao amin' ny Kor'any, izay nasehony amin' izy ireo ho tena tenin' Andriamanitra (Allah amin' ny teny arabo), nampitain' ny arkanjely Gabriela (Jibril) taminy[3]. Araka ny lovantsofina ihany dia natambatry ny mpianany taorian' ny nahafatesany ny Kor'any, nalaina tamin' ny fandikana avy amin' ny fitaovam-panoratana isan-karazany. Fanampin' izany, ny lovantsofina momba ny asany sy ny teniny dia mahaforona ny sonà (sunna), izay loharano faharoa amin' ny lalàna mozilmana, aorian' ny Kor'any.
Vitsy ny mpanaraka an' i Mohamady (atao hoe sahaba) tamin' ny voalohany, ary niaina fankahalana avy amin' ny mpivavaka amin' ny andriamanitra maro tao Meka nandritra ny 13 taona izy ireo. Mba hialanana amin' ny fanenjehana tsy mitsahatra dia nandefa ny sasany tamin' ny mpanara-dia azy tany Abisinia izy tamin' ny taona 615, talohan' ny nifindrany sy ny mpanara-dia azy avy any Meka ho any Medina (fantatra tamin' izany amin'ny anarana hoe Yathrib) tatỳ aoriana tamin' ny taona 622. Ity fifindrà-monina ity, izay atao hoe Hijra, dia nanamarika ny fiandohan' ny tetiandro silamo, fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Tetiandro Hijry. Tany Medina dia nampiray ny fokom-pirenena ho eo ambanin' ny "Lalàm-panorenan' i Medina" i Mohamady. Tamin' ny Desambra 629, taorian' ny ady nifanaovana nandritra ny valo taona tamin' ny fokom-pirenena maro tao Meka, dia nanangona tafika nahitana lehilahy 10 000 avy amin' ny Mozilmana niova finoana i Mhamady ary nanao diabe nanafika ny tanànan' i Meka. Tsy azo toherina ny fandresena, ary nobaboin' i Mohamady tamin' ny fandatsahan-dra kely ilay tanàna. Tamin' ny taona 632, volana vitsivitsy taorian' ny niverenany avy tamin' ny fivahiniana masina fanaovam-beloma, dia narary izy ary maty. Tamin' ny fotoana nahafatesany, ny ankamaroan' ny Saikinosin' i Arabia dia niova ho amin' ny finoana silamo[5][6]. Nahatsangana fanjakana arabo izay nitombo hery sy velarana haingana izy.
Ny fanambaràna (fantatra amin' ny anarana hoe aya — izay midika ara-bakiteny hoe "famantarana [avy amin' Andriamanitra]") izay notaterin' i Mohamady fa voarainy mandra-pahafatiny no nitambatra ka nahaforona ny andininy ao amin' ny Kor'any, izay heverin' ny Mozilmana ho toy ny "Tenin' Andriamanitra" ara-bakiteny izay iorenan' ilay fivavahana. Ankoatra ny Kor'any, ny fampianaran' i Mohamady (atao hoe sunna), izay hita ao amin' ny literatioran' ny Hadith sy sîra (tantaram-piainana), dia tohanana sy ampiasaina ho loharanon' ny lalàna silamo (sharia).
Ny finoana silamo sy ny maha zava-dehibe ny kolontsaina islamika dia nisy fiantraikany tamin' ny sivilizasiôna samihafa, ka nahatonga an' i Mohamady ho olo-malaza teo amin' ny tantara. Na izany aza, ny maha nisy ara-tantara tokoa azy dia iadian-kevitra eo amin' ny mpahay tantara ankehitriny, izay mitanisa ny tsy fahampian' ny loharano ara-tantara sy ny fitongilanan' ny loharano ara-pivavahana nentim-paharazana, ka mahatonga ny tantaram-piainan' i Mohamady marina ho tsy azo atao. Fanampin' izany, ny filazana hita ao amin' ireo loharanom-pahalalana ireo dia niova tsikelikely rehefa nandeha ny fotoana, izay mampiseho fahitana samihafa momba an' i Mohamady.