Abidy paleô-hebreo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny abidy paleô-hebreô dia karazan' ny abidy fenisiana nampiasaina hanoratana ny teny hebreo tamin' ny taonjato faha-10 tal. J.K. Atao amin' ny teny hebreo hoe כתב עברי / ktav ivri (midika hoe "soratra hebreo") na amin' ny teny hebreo vaovao hoe כתב עברי עתיק / ktav ivri atiq ("soratra hebreo tranainy") io abidy io. Antsoina ao amin' ny Talmoda hoe ktav da'atz ("soratry ny tany efitra") na ktav ra'atz ("soratra tapaka") koa ity abidy ity.
Ny soratra paleô-hebreo dia nampiasaina hatramin' ny taonjato voalohany taor. J.K., ary avy eo dia nosoloan' ny abidy arameana (amin' ny teny hebreo: Ktav ashuri) izay nampiasaina nanomboka tamin' ny fiverenan' ny Jiosy avy tany Babilôna tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K.