Bokin' ny Nomery
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' ny Nomery na Bokin' ny Fanisana na Bokin' ny Fivahiniana izay hafohezina amin' ny hoe Nomery na Fanisana na Fivahiniana dia boky fahefatra ao amin' ny Baiboly izay manohy ny tantara ao amin'ny Eksôdosy (na Eksaody) momba ny fivezivezen'ny Israelita tao an-tany efitra notarihin'i Mosesy (na Môizy) hatrany amin'ny lemak'i Moaba, tsy lavitra ny tany Kanaana. Boky ao amin'ny Testamenta Taloha ny Nomery na Fanisana. Ny Bokin' ny Nomery ao amin' ny Baiboly jiosy dia isan' ny Tôrah, fa ao amin' ny Baiboly kristiana kosa dia isan' ny Pentateoka.