Eklesia Episkopaly Malagasy
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Eklesia Episkopaly Malagasy, hafohezina amin' ny hoe EEM, dia anarana iantsoana ny Fiangonana anglikana eto Madagasikara [1]. Diosesy enina no mandrafitra ny EEM, ka ny Foiben' ny Eklesia Episkopaly Malagasy (FEEM) no rafitra mampivondrona azy ireo. Ireo diosesy malagasy ireo, miaraka amin' ny Diosesin' i Maorisy sy ny Diosesin' i Seisely no mandrafitra ny Eklesia Anglikana eo amin' ny Ranomasimbe Indiana.