Fiteny estôniana
fiteny / From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny estôniana dia fiteny ao amin' ny sampana fenikan' ny fianakaviam-piteny oraliana, izay mifamatotra amin' ny fiteny finoà. Ao Estônia no itenena an' io fiteny io, izay manana endrika isam-paritra roa lehibe, dia ny fiteny estôiana avaratra (izay ampiasain' ny ampahany be amin' ny vahoaka estôniana sady fototry ny fitenin' ny literatiora ankehitriny; ary ny fiteny estôniana atsimo izay ampiasain' ny mponina hatrany Tartu mankany atsimo. Ny fiteny estôniana no fiteny ôfisialin' i Estônia. Atao hoe eesti keel (vakio hoe: /ˈeːs.ti ˈkeːl/) io fiteny io amin' ny fiteny estôniana. Olona miisa 1 100 000 any ho any no miteny estôniana ka ny ankamaroany (950 000) dia monina ao Estônia. Mety mifankahazo fiteny ny mpiteny estôniana sy ny mpiteny finoà.