Fianakaviam-piteny oraliana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny oraliana dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 izay tetenin' ny olona miisa 20 000 000 any ho any ao Eorôpa sy any Siberia. Ny fiteny oraliana be mpiteny indrindra dia ny fiteny hongariana, ny fiteny finoà ary ny fiteny estôniana. Ny hoe oraliana dia avy amin' ny anaran' ny tendrombohitra Oraly, izay heverina fa nipoiran' io fianakaviam-piteny io.
Mizara ho sampana roa ny fiteny oraliana dia ny sampana finô-ogriana sy ny sampana samôieda.