Fiteny hongariana
fiteny / From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny hongariana na fiteny hôngroa dia fiteny ao amin' ny sampana finô-ogrianan' ny fianakaviam-piteny oraliana, ary ny fiteny hafa ao amin' io sampana io dia ny fiteny finoa sy ny fiteny estôniana, ary koa ny fiteny kanty (na fiteny ôstiaka) sy ny fiteny mansy (na fiteny vôgola). Ny fiteny hongariana no fiteny ôfisialy any Hôngria. Amin' ny fiteny hongroà izy dia atao hoe magyar nyelv.
Fiteny hongariana | |
Isan'ny mpiteny | 13 tapitrisa |
Faritany | Vondrona Eoropeana Hongaria Romania Silaovakia (tenim-paritra) Serbia (tenim-paritra) Aotrisy (tenim-paritra) Okraina (tenim-paritra) Krôasia (tenim-paritra) |
Sata | Ofisialy ao Hongaria sy amin'ny Vondrona Eoropeana |
Miisa 13 tapitrisa eo ho eo ny olona miteny hongariana manerana izao tontolo izao, ka ny 9 900 000 amin' ireo dia monina ao Hôngria. Misy ihany koa fianakaviambe miteny hongroà any amin' ny firenena manodidina an' i Hôngria (Romania, Slôvakia, Serbia, Okraina, Aotrisy, Krôasia ary Slôvenia), ary koa ny fianakaviambe maro vokatry ny fifindra-monina tany Etazonia, Kanada, Israely, sns.
Amin' ny lafiny endri-teny sy ny fiforonan-teny dia fiteny manambatambatra hasinteny ny fiteny hongariana. Ny fisian' ny firindran-janapeo dia mampiavaka azy koa. Ankoatry ny voambolana nolovainy sy novolavolaina ao anatiny, ny fiteny hôngroà dia nindrana teny avy amin' ny fiteny slavy, latina, alemana, tiorka ary indô-iraniana.
Ny fiteny hôngroà dia noraiketina an-tsoratra nanomboka tamin' ny taonjato faha-11 tamin' ny alalan' ny endriky ny abidy latina nasiam-panovana.
Tany amin' ny tehezana atsinanan' ny Tendrombohitra Oral no nitenenana azy tany am-boalohany, ary ny Hongroà any Hôngria sy monina any amin' ny firenena mifanolo-bodirindrina ary any Etazonia no miteny azy amin' izao fotoana izao. Tsy dia misy fahasamihafana firy fitenim-paritra hongroà.