Fiteny finô-ogriana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny finô-ogriana dia fianakaviam-piteny tenenin' ny olona ao Eorôpa, dia ny vahoaka finô-ogriana, ao amin' ny faritra ara-jeôgrafia midadasika dia midadasika avy any amin' ny Ranomasina Baltika sy avy any amin' ny tapany avarar' i Skandinavia hatrany Ural sy any Don. Ny isan' ny mpiteny finô-ogriana dia 25 000 000 any ho any. Ny fiteny finô-ogriana sasany dia nanjavona tsy misy mpiteny intsony tamin' ny taonjato faha-20 ary maro amin' ireo fiteny ireo no tandindomim-pahafatesana. Iray amin' ny sampana lehiben' ny fianakaviam-piteny oraliana ny fiteny finô-ogriana maro, ka ny sampana faharoa dia ny fiteny samôieda. Ny fiteny hongariana sy ny fiteny finoà ary ny fiteny estôniana no tena fantatra ao.