Fiteny grika taloha
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny grika taloha dia fiteny notenenina tany Grisia tamin' ny Andro Taloha nanomboka tamin' ny 800 tal. J.K. hatramin' ny taona 400 tal. J.K. Any Eorôpa, ny fiteny grika miaraka amin' ny fiteny latina no fiteny taloha mbola ampiasaina indrindra ho an' ny mpiteny eorôpeana ankehitriny. Ireo fiteny mampiasa teny grika taloha dia ny fiteny latina sy ireo fiteny avy amin' ny fiteny latina (fiteny frantsay, fiteny anglisy, fiteny espaniôla, fiteny italiana).
Betsaka ny firokin' ny fiteny grika taloha, izany hoe ny endrika isam-paritra isehoan' io fiteny io, fa heverin' ny mpahay siansa rehetra fa ny fiteny atikianina no madio indrindra amin' ireo firoky ireo. Niely manerana ny tany manana morontsiraka amin' ny Ranomasina Mediteranea ny fiteny grika taloha. Nanaparitaka ilay fiteny tany Azia i Aleksandra Lehibe, ary elaela taoriana mandritra ny Empira Rômana dia nianatra teny grika taloha ny Rômana ao amin' io fanjakambe io, ohatr' ireo mpianatra teny anglisy ankehitriny.
Ny tononkalo lehibe malaza indrindra amin' ny fiteny grika taloha dia ireo izay nataon' i Hômera.
Miova araka ny fandrosoan' ny fotaona ny fiteny rehetra, ary niova imbetsaka ny fiteny grika mandritra ny taonjato 25 manasaraka ny fiteny grika taloha sy ny fiteny grika ankehitriny. Ankehitriny dia eken' ny mpandinika fiteny rehetra fa tamin' ny taona 453 ny fiteny grika ankehitriny no nanomboka nisy. Izany hoe ny fiteny grika ankehitriny dia vokatry ny fivoaran' ny fiteny grika taloha nandritry ny taonjato 25.