Fivavahana eto Madagasikara
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fivavahana eto Madagasikara dia mitovitovy amin' ny an' ireo firenena aty Afrika atsimon' i Sahara ahitana ny fifanojoan' ny fivavahana maro samihafa izay miteraka fanao ara-pivavahana isan-karazany[1]. Ny tena be mpanaraka dia ny fivavahan-drazana sy ny fivavahana kristiana ary ny finoana silamo. Hita koa ny fivavahana hafa toy ny bahaisma sy ny hindoisma. Efa eto Madagasikara koa izao ny jodaisma.