Jeôgrafian' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny jeôgrafian' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia maneho ny maha firenena manana otri-karena betsaka an' ity firenena ity, izay ahitana ny ampahany be indrindra amin' ny faritanin-dranona' ny ony Congo, izay mahafaoka mihoatra ny 1 000 000 km². Ny hany ahafaha-mivoaka any amin' ny ranomasina dia andilan-tany ao amin' ny ila-tany avaratry ny ony Congo (dia ny faritra Moanda). Ireto ireo firenana mpifanolo-bodirindrina amin’ io firenena io: ao andrefana ny Repoblikan’ i Kôngô, ao avaratra ny Repoblikan’ i Afrika Afovoany sy i Sodàna, ao atsinanana i Oganda sy i Roanda ary i Borondy ary i Tanzania, ao atsimo i Zambia sy i Angôla.