Loba (vahoaka)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Loba na Baloba dia vahoaka banto ao Afrika Afovoany izay monina indrindra ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (RDK), niorim-ponenana eo anelanelan' ny ony Kasai sy ny Farihy Tanganyika, indrindra ao amin' ny faritanin' i Kasaï, Kasaï-Oriental, Sankuru, Lomami, Kasaï-Central ao amin' ny farintanin' i Katanga taloha. Anisan' ny vahoaka maro anisa indrindra tamin' ny faritra misy azy taloha izy ireo. Ahitana azy ireo vitsy koa ny ao amin' ny firenana akaiky ny RDK ao amin' ny tapany atsimon' i Afrika, indrindra ao Zambia sy ao Angôla.