Menaka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny menaka zava-matavy sy maisatra izay lasa ranoka rehefa azon' ny hafanana manodidina, izay tsy mety mifangaro amin' ny rano sady a maivamaivana kokoa noho ny rano, avy amin' ny biby, ny zavamaniry, ny mineraly na noforonin' olombelona.
Ny menaka dia samihafa amin' ny tavy, ohatra ny paty, rehefa ampiasaina amin' ny fomba aradalana. Ny menaka dia tsy lazaina hoe menaka na dia ranoka aza izy any amin' ny tany mafana. Any amin' ny tany mangatsiatsiaka, ny menaka sasantsasany, indrindra ny menaka ranoka, dia mety mivaingana rehefa mangatsiaka ny andro.