Rosia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Rosia na ny Federasionan' i Rosia dia fanjakana federaly sady firenena ngeza indrindra eto an-tany, manana mponina miisa 142 tapitrisa any ho any araka ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny taona 2007. Misabaka eo amin' i Eorôpa (25,3 %n' ny fivelarany) sy i Azia Atsinanana (74,7 %) izy. Ny firenena rosiana dia manana velarana 17 tapitrisa km2 (indroan' i Etazonia ary in-30n' i Madagasikara) izany. Manana faritr' ora iraika ambin' ny folo izy. Ny renivohiny dia i Môsko, ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialy any ary ny robla no sandam-bola ampiasainy. Atao hoe Россия / Rossiya na Российская Федерация / Rossiyskaya Federatsiya izy amin' ny fiteny rosiana.
Mbola ambangovangony amin'ny resaka rosia ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina. Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy. |
Российская Федерация ((ru)) | |||||
Россия ru | |||||
Federasionan'i Rosia ((mg)) | |||||
| |||||
Teny filamatra : tsy misy | |||||
Teny ofisialy | fiteny rosy1 | ||||
Renivohitra | Môsikao 55° 45' N, 37° 42' E | ||||
Tanàna ngeza indrindra | Moskva | ||||
Fitondrana sy governemanta - Président - Président du gouvernement |
Repoblika firenena federaly Vladimir Poutine Dmitri Medvedev | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 1 17 075 400 km² 0,5% | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2009) - hakitroka |
faha 8 141 800 000[1] mpo. 8,3 mpo./km² {{{1}}} | ||||
Anaran'ny mponina | Rosy, rosianina | ||||
IDH (2008) | (mitombo) 0,802[2] (ambony) 67 | ||||
Sandam-bola | Robla (RUB ) | ||||
Faritr'ora | UTC +3 hatramin'i +12 | ||||
Hiram-pirenena | {{{hymne_national}}} | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
+7 |
Na dia misy ranomasina maromaro aza ny manodidina an' i Rosia dia manana toetrandro an-kôntinenta amin' ny tany mangatsiaka sy sarotra ipetrahan' ny olona izy.
Betsaka ny harena an-kibon' ny tany any Rosia: misy ny solitany sy ny vato sarobidy. Mivoatra be ny orinasa mikasika ny fanamboarana sambondanitra sy ny fanamboarana basy. Ny fanamboarana sambondanitra no nahavoalohany an' i Rosia izay nenti-nizaha ny habakabaka tamin' ny taona 1957.
Ny Repoblika Sôsialista Federativan' i Rosia (RSFR) no repoblika lehibe indrindra tao amin' ny Firaisana Sôvietika.
Tamin' ny faran' ny taona 1991 dia nisy firenena vaovao dimy ambin' ny folo avy amin' ny Firaisana Sôvietika taloha, isan' izany i Rosia, izay nandova ny 3/4n' ny tanin' ny Firaisana Sôvietika taloha (izany hoe 17 tapitrisa km²) sy ny antsasaky ny mponiny sy ny 2/3n' ny orinasany ary ny antasaky ny toeram-pamboleny.