X-SAMPA
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Extented Speech Assessment Methods Phonetic Alphabet (X-SAMPA) na Abidy ara-drafipeon'ny fomba fanadihadiam-pitenenana nitarina dia fanovana ny SAMPA noforonin'i, i John C. Wells izay mpampianatra momba ny haifanononana ao amin'ny Anjerimanontolon'i London.[1] Izy io dia natao hampiray ireo abidy SAMPA tsirairay ary mba handrakotra ny Abidy ara-drafipeo iraisam-pirenena (AAI). Ny vokatr'izay dia ny versionan'ny AAI azo soratana amin'ny alalan'ny ASCII 7 bit.
Ny SAMPA dia natao ho fanodinana ny olana izay tsy ahafahana manoratra ireo literan'ny AAI amin'ny fanakaodian-tsoratra. Tetỳ aoriana rehefa zaka na aiza na aiza ny Unicode dia tsy dia nilaina intsony ny rafitra hanehoana ny AAI amin'ny alalan'ny ASCII. Na dia izany aza dia mbola ilaina amin'ny fampidirana AAI tena izy ny X-SAMPA.